Tolo-tanana ny zaza any Androy – Ankizy 4 000 no hahazo tombontsoa
Tapitra ny telo febroary lasa teo, ny andian’ny voalohany amin’ny hetsika tolo-tanana ny zaza any Androy. Tao anatin’ny roa herinandro nisian’izany dia vokatra toy ny vary, legioma, voamaina ary haninkotrana milanja 20 taonina sy vola 105 172 515 ariary no niainga, teny amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly maraina hihazo ny faritra Androy. Ankoatra io dia efa misy fiara lehibe roa feno entana no voalaza fa efa miandry ity niainga ity any aloha any ka 80 taonina any ho any ny fitambaran’ny vokatra ho zaraina amin’ireo zaza. Ireo vola kosa ho avadika ho sakafo rehefa tonga any Ihorombe hanampiana ireo fanomezan’ny olona ireo satria any no moramora kokoa ny vidin-tsakafo. Hanampiana ny logistika kosa raha mbola misy ambim-bava. Anjaran’ireo mpiara-miombon’antoka kosa avy eo no mizara izany amin’ireo ankizy 4 000 tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any an-toerana satria izy ireo no efa manana traikefa amin’izany. Anisany hahazo tombontsoa amin’izany ny any amin’ny « Cisco » Bekily, Ambovombe Androy, Beloha ary Tsihombe.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







