Mpampianatra Fram – 30 000 ariary ny fanampiana raisina isam-bolana
Kely ny karama raisin’ny mpampianatra Fram isam-bolana. Misy ary ireo tsy mandray indraindray, indrindra ireo mpampianatra any ambanivohitra. Iray hetsy isam-bolana ny fanampiana azon’izy ireo ary misy fotoana tsy mandray mihitsy. Tsy afenina fa 30 000 ariary no mba raisin’ireo any ambanivohitra isam-bolana. Misy ary moa ireo mikarama daba rehefa tsy misy vola omena azy ireo, ny ray aman-drenin’ny mpianatra ka ireny haninkotrana ireny no atao tsipaipaika omena ireo mpanabe. Miteraka olana amin’ny fampianarana any amin’ny tontolo ambanivohitra anefa izy io indraindray satria misy ireo ray aman-dreny tsy manana vokatry ny tany atolotra ny mpampianatra ka ireo ankizy no mizaka ny vokan’izany satria tsy alefan’ny ray aman-dreniny mianatra.
Nozaraina fifanarahana arak’asa
Manoloana ireo olana betsaka atrehan’ireo mpampianatra Fram sy ny mety ho voka-dratsin’izany amin’ny fampianarana dia notontosaina omaly zoma 5 febroary, teny amin’ny tokontany malalaka ny Lisea Jules Ferry, ny fizarana ny fifanarahana arak’asa an’ireo mpampianatra Fram ireo. Mpanabe 1 400 avy amin’ny Faritra Analamanga izay noraisina ho mpiasam-panjakana tamin’ny taona 2015 lasa teo ireto nomena fifanarahana arak’asa ireto ka olona iray isaky ny sekoly no tonga nisolontena nandray izany tao an-toerana. Toy ny fifanarahana arak’asa rehetra ao amin’ny fanjakana dia havaozina isaky ny 2 taona izany ka 6 taona aty aoriana vao ho raisina mpiasa raikitra izy ireo. Ho fanatsarana ny sehatry ny fampianarana hatrany dia hisy ny sazy hiatra amin’ireo mpiasam-panjakana matotoa, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenana, Paul Rabary.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







