Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

CNM – Mitaky ny fampiharana ny lalàna

Roa taona aty aorian’ny nitsanganan’ny Repoblika fahaefatra, izay indraindraina fatratra fa mampanjaka tanteraka ny tany tan-dalàna, dia mbola misy ihany ny tsy fanajana izay voasoratra anatin’izany lalàna izany. Maro tamin’ireo fihetsiketsehana nitranga teto an-drenivohitra no nitaky izany fampiarana lalàna izany, indrindra fa ireo mahakasika ny tambin-karama sy ny manodidina ny resaka vola tokony ho azon’ny tsirairay eo amin’ny toerana iandraiketany. Misy kosa anefa ireo izay mitaky izany am-pahanginana sy an-databatra boribory. Ny asabotsy lasa teo dia nanao fivorian-dehibe teny amin’ny Lycée moderne Ampefiloha (LMA), ny “Collectif des normaliens de Madagascar” (CNM) na ny fikambanam-ben’ny mpianatra nivoaka tamin’ireo sekoly ambony manofana ho mpampianatra. Nanambara izy ireo tamin’izany fa maro ny ezaka nataon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mahakasika ny fandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana, kanefa kosa misy ny tsy fanarahan-dalàna ao anatin’izay. Raha ny fanazavany, amin’ny maha olona niofana manokana momba ny fampianarana dia ry zareo no tokony ho loha-laharana amin’ny fampianarana ny zaza Malagasy, kanefa dia mbola maro amin’izy ireo no tsy voaray ho mpiasam-panjakana na dia kely lavitra noho ny sasany aza ny isany. Hatreto dia eo amin’ny 200 eo no mbola tsy an’asa.

Ho an’ireo voaantso kosa dia mbola ampitoviana amin’ireo tsy niofana ny “statut”-ny, izany hoe mbola “contractuel”. “Kanefa araka ny lalàna dia tsy azo atao contractuel ireo nivoaka tamin’ny sekoly ambony”, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpandindra ny CNM, Hasiniaina Randrianarivo. Mangataka noho izany izy ireo ny mba andraisana ny “normaliens” ho “stagiaire” avy hatrany vao voaray ho mpiasam-panjakana.

Mia

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre