Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Fanafihan-jiolahy tany Mahajanga – Nandamoaka ny fikasana

Taorian’ny velam-pandrika nataon’ny mpitandro filaminana an’ireo andian-jiolahy nikasa hanafika tany Mahajanga dia noraisim-potsiny izy ireo. Ny sabotsy alina teo no fantatra fa saika hiverina handroba teratany frantsay, tao Andovinjo izy ireo. Ny 3 febroary teo no efa nikasa hanao fanafihana tao amin’izany vazaha izany saingy nandamoaka satria nisy mpiambina ilay tanàna. Fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po avy eo no nahafahana nisambotra ny iray tamin’ireo jiolahy. Ity farany izay voalaza fa mpitari-dalana ary tamin’ny fanadihadiana natao taminy koa no nahazoana fanampim-baovao mahakasika ireo namany. Nisy noho izany ny velam-pandrika nataon’ny mpitandro filaminana, ka tao amin’ny trano fisakafoanana iray teny amin’ny Jirama Amboaboaka no nosamborana ireo mpanafika miisa 4, tamin’ny andro saika hanafihana. Sarona niaraka tamin’izy ireo ny basy poleta 9mm roa miaraka amin’ny bala. Araka ny loharanom-baovao voaray dia andian-jiolahy avy aty an-drenivohitra ireo mpangalatra ireo ka ny 30 janoary teo izy ireo no nigadona tany Mahajanga. Mbola karohina kosa ny naman’izy ireo hafa.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre