Ambatondrazaka – Razana efa nihintsana no hitan’ny fokonolona
Tsy fantatra izay antony nahafaty ity rangahy iray ity tao amin’ny toerana manakaiky ny tanànan’Ambohipananina Ambatondrazaka fa razana efa nihintsana tanteraka no hitan’ny olona sendra nandalo. Nandre fofona hafahafa izy io araka ny filazany ka nanaraka izay niavian’izany. Gaga anefa ity mpandalo raha nahita fatin’olona izay efa taolana sisa ary notombanany ho efa noviravirain’ny alika izany. Niverina tany an-tanàna ilay olona avy eo nampandre ny tompon’andraikitra avy eny anivon’ny fokontany. Ity farany indray avy eo no nampilaza ny zandarimariam-pirenena ao Ambatondrazaka ka niara-nirohitra nidina ifotony nijery ny toe-draharaha tany an-toerana ny alatsinainy 08 febroary lasa teo izy rehetra nanao ny fizahana ny razana. Ahiana ho nisy namono ity lehilahy ity fa mbola tsy fantatra ny nahavanon-doza. Mbola tsy misy olona ahiana ihany koa mikasika ity vono olona ity. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao ary andrasan’ny rehetra, indrindra fa ny mponina ao an-toerana izay mihorohoro fatratra taorian’izao zava-mitranga izao.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







