Toamasina – Fatim-behivavy notetehana natsipy eran’ny tanàna
Tranga iray tena nampihoron-koditra tanteraka no niseho teny amin’ny fokontany Salazamay, any Toamasina, omaly maraina. Fatim-behivavy 26 taona izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana no hitan’ny fokonolona, tokony ho tamin’ny 5 ora tany ho any, manakaiky ny fiangonana Fjkm. Notetehana tanteraka ny vatan’ilay vehivavy manontolo ary naparitaka eran’ny tanàna. Nesorina ihany koa ny voamasony sy ny lelany. Nidina teny an-toerana, rehefa avy nampandrenesina, ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Bmh nijery ifotony sy nanangona ireo ratsam-batana mialohan’ny nitondrana ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Be. Tamin’ny fizahana natao dia fantatra fa natao tanaty vata fampangatsiahana ny razana vao nariana.
Miaina ao anaty tebiteby sy tahotra tanteraka ny mponin’i Toamasina manoloana ity tranga mampalahelo ity. Mizara roa ihany koa ny fanontanian’ireo fokonolona hoe: vono olona tsotra sa halatra taova ity niseho ity?
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







