Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Fanaovana vaksiny eto Madagasikara – Namatsy vola 16 tapitrisa dolara ny Gavi

Mba ampitomboana ireo ankizy vita vaksiny eto Madagasikara dia nivahiny tany amin’ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo, teny amin’ny lapan’ny Mahazoarivo, ny sefo delegasiona avy amin’ny fikambanana Alliance Gavi (Alliance globale pour les vaccins et l’immunisation), Rtoa Véronique Maeva Fages, nanolotra vola 16, 64 tapitrisa dolara ary ampiasaina ato anatin’ny telo taona. Ity famatsiam-bola ity dia miorina amin’ny fahaiza-manao izay fomba fiasa vaovao ankatoavin’ny biraon’ny Gavi. Ny tena tanjonan’ity fikambanana ity dia ny hamita ny iraka miaraka amin’ny manam-pahefana sy ny mpiara-miasa malagasy amin’ny fanaovana ny vaksiny ireo ankizy rehetra manerana ny Nosy mba hisorohana ny karazana aretina rehetra mety hitranga ka tafiditra ao anatin’io avokoa ny vaksiny rehetra.

Marihina fa ny Alliance Gavi dia mampivondrona ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena maro, anisan’izany ny Bill & Melinda Gates Foundation, OMS, Unicef sy ny banky iraisam-pirenena. Tsy vao izao ihany koa fa efa hatramin’ny taona 2011 no nanohanany an’i Madagasikara amin’ny  fanaovana vaksiny sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary ny rafitra ara-pahasalamana mba hahafongana ireo aretina mpahazo ny ankizy amin’ny alalan’ny fanaovana ny vaksiny.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre