Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Fikambanana mpikabary Hajan’ny Gasy – Nivoaka ny andiany faharoa « Solofo handimby »

Mpianatra kabary miisa 20 no nasandratra, izay nanovo fahalalana ary niofana nandritra ny dimy volana tao amin’ny sekoly Mahaleovasoa Impec Anosibe, ny faran’ny herinandro lasa teo ka notoloana mari-pankasitrahana sy nomen’ny ray mpiahy Naivo Raholdina mivady mari-pahatsiarovana  boky “Ny Fikabariako”, fianarana kabary nosoratan’ny ray mpiahy ary boky torolalana tsotsotra momba ny fananan-tany.

Ity farany dia entina hanamafisana ny fahalalàna ary mba ahafantarana  bebe kokoa ny mikasika ny fananan-tany satria « tsy afaka misaraka ny teny sy ny tany ».

Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’Atoa Naivo Raholdina no nanasongadinany ny maha zava-dehibe ny teny Malagasy ka nanentanany ny rehetra mba hanandratana avo ny tenin-dreny, ary nanomezany tso-drano ireo andiany “Solofo handimby” mba ho reharehan’ny mpikabary Malagasy. Nomarihiny ihany koa fa andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny ny 21 febroary 2016 ho avy izao ka misokatra ny fiarahan’ny mpikabary eny amin’ny boriboritany fahadimy ao anatin’ny sampana kolontsaina eo anivon’ny fikambanana FAFI V izay tarihin’ity solombavambahoaka ity.

Kasaina atao eny amin’ny trano fandraisam-bahoaka Ambohidahy Ankadindramamy izany fankalazana izany. Nomarihin’ny filohan’ny fikambanana,  Honoré Rahajasoa, fa ity taona 2016 ity dia natokana ho an’ny “kabary takalo” izay hanofanana ireo olona efa ao anatin’ny kabary mba amoahana mpikabary matihanina tanteraka, ary misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’ny fikambanana.

Mia

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre