Alaotra – Niakatra ny vidim-bary
Andro vitsivitsy izao no nahitana fisondrotana ny vidim-bary raha somary marin-toerana ihany ny volana janoary lasa teo.Mananika ny 1400 ariary ankehitriny ny vidim-bary fotsy iray kilao ary 400 ariary ny iray kapoaka. Mbola ny vary tranainy hatrany io voalaza io fa mbola tsy dia misy loatra ny “vary vao” izay ny volana martsa no fanombohan’ny fiakarany. Hatramin’izay dia ny volana febroary sy martsa no tena mahalafo ny vary ary ahiana mbola hisondrotra noho io vidiny amin’izao io izany araka ny nambaran’ireo mpivarotra. Antony nahatonga izany ihany koa, araka ny nambaran’izy ireo, ny fahavitsian’ny vary niakatra ny taon-dasa teo noho ny fahabetsahan’ny rotsak’orana ka nampisy tondra-drano tamin’ny toerana sasany. Noho izany dia nihena ny vokatra niakatra ka vetivety dia tapitra.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







