Tovolahy nitaky famerim-bola – Nodoran’ny mpamily sy ny mpanampy azy
Tovolahy iray naratra mafy vokatry daroka sy vono nataon’ny mpamily sy ny mpanampy azy rehefa nitaky ny famerim-bolany. Ny harivan’ny alatsinainy teo no nitranga izany tamin’ny zotra iray mihazo an’iny Ankadikely Ilafy iny. Avy nianatra ka nandray izany zotra izany ity tovolahy, araka ny fitantarany. Nanome vola 5 000 ariary an’ilay mpanampy ny mpamily ilay tovolahy rehefa niditra ny taksibe. Niandry ny amerenana an’ilay famerim-bola izy io fa tsy nanome mihitsy iry voalohany. Tsy nitaky ihany koa izy fa hoe any amin’ny farany vao miala. Efa maizina ny andro no tonga teny Ankadikely ilay fiara fitateram-bahoaka, ny olona ihany koa efa vitsy kely, hany ka, raha vao nitaky ny famerim-bolany ilay tovolahy dia tsy nety nanome ilay resevera fa hoe efa nomeny. Tsy vitan’izany fa mbola nodarohana sady novonoina fa soa ihany tafatsoaka. Tamin’ity tovolahy ity nandositra indrindra anefa dia azon’izy ireo ny kitapon’ilay tovolahy izay nisy ny fitaovam-pianarany.
Nitory ny fianakaviana
Omaly ihany dia nanatona ny biraon’ity zotra ity ny rain’ilay tovolahy nangataka fanazavana amin’ny fihetsika sy herisetra nataon’ireo mpamily sy ny mpanampy azy sady nitaky ny amerenana ny kitapon-janany satria ao avokoa ny fitaovam-pianarany. Tsy tao kosa ny lehiben’izany zotra fitaterana izany tamin’ny fahatongavan’ilay rangahy tao fa ny « pointeur » ihany no tao. Ity farany izay niangavy ny handaminana ny raharaha. Nanaiky ireto farany, fa haverina kosa ny nalain’ireo tompon’andraikitra tamin’io fiara io. Nilaza indray avy eo ilay « pointeur » fa tsy niasa ilay resevera ary efa nariany ihany koa ilay kitapo fa tsy notazoniny. Tezitra mafy tamin’izany ny rain’ilay tovolahy ary nilaza fa tsy hipetra-potsiny sy hitondra ny raharaha eny amin’ny manam-pahefana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







