Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ihosy – Hametrahana toby miaramila sy zandary

Na efa nandraisana fepetra aza ny asan-dahalo any amin’iny faritra Atsimo iny mialohan’ny farany taona teo dia miverina amin’ny heriny indray izany amin’izao fotoana izao. Manoloana izany indrindra dia ho averina tsy ho ela ny hetsika miaramila mba ahafahan’ny vahoaka miaina am-pilaminana ary tsy handalo fotsiny ireo mpitandro filaminana ireo fa hitoetra any an-toerana mihitsy. Mahakasika izay indrindra dia nanapa-kevitra ny fanjakana fa hametraka any Ihosy ny toby miaramila sy zandary vaovao ka hanomboka tsy ho ela ny asa satria ny fisian’izy ireo amin’ny toerana iray ihany no mampilamina ny faritra iray indrindra ny any Atsimo. Izany no atao mba ahafahan’izy ireo mamokatra bebe kokoa sy mivezivezy tsara. Fa indrindra ny afahafan’ny ankizy mianatra am-pilaminana mba hahazo tombontsoa manandrify azy.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre