Fanjakana Rosianina – Hanome tolo-bidy angidim-by an’i Madagasikara
Manana olana amin’ny lalana i Madagasikara. Mbola olana sedraina ihany koa ny tsy fandriampahalemana amin’ny fanakanan-dalana ataon’ny olon-dratsy. Mba tsy ho voasakana intsony ireo mpitandro filaminana mamita iraka amin’ireny toerana tsy azo alehan’ny fiarakodia ireny dia hanome tolo-bidy angidim-by ny fanjakana Rosianina. Ny zava-misy ankehitriny, kely avokoa ny raopilanina ananan’i Madagasikara, ary ny angidim-by dia anisan’ny fitaovana iray ahafahana manatanteraka asa maro manerana ny Nosy ary afaka apetraka amin’ny toerana tsy voafetra, raha ny filazan’ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo. Tonga noho izany ny fotoana tokony hananan’ny malagasy izay fitaovana izay satria mivelatra ny tanintsika ary betsaka ny toerana tsy azon’ny fiara sy fiaramanidina tsotra aleha anefa tena ilaina ny angidim-by amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Tsy hijanona amin’ny fanolorana fotsiny anefa ny fanjakana Rosianina fa hisy ihany koa ny antoka amin’ny fikojakojana ireo fiaramanidina ireo sy ny fanofanana ireo mpanamory izany noho ny fiovaovan’ny teknolojia. Handefa teknisianina hijery ireo fitaovana izay efa simba sy mbola mandeha amin’ireo fiaramanidina efa misy eto amintsika ihany koa ry zareo. Omaly no noraisin’ny Praiminisitra, teny amin’ny lapan’ny Mahazoarivo ny Ambasadoro Rosianina, Stanislav Ahkmedov, ho fanamafisana sy fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny Rosianina.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







