Andranomena – Tra-tehaka ireo dimy lahy nanafika « salle de jeux »
Voasambotra ireo dimy lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny « salle de jeux », ny alahady alina, tokony ho tamin’ny 11 ora. Nidina teny an-toerana avy hatrany mantsy ny mpitandro filaminana raha vao naharay antso ka mbola tratra teny ireo olon-dratsy. Vao nahatazana ny fahatongavan’ireto voalohany anefa ireo jiolahy dia vaky nandositra nihanika tamboho ka voatery nitifitra ny polisy izay nahavoa ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Naratra mafy teo amin’ny sandriny dia noraisim-potsiny izy io. Ity farany kosa avy eo no nanondro ireo namany ary tsy niandry ela ireo polisy fa nanaraka ireo jiolahy tafaporitsaka ka voasambotra tao an-tranony indray i Kapila izay atidoha nikotroka ny fanafihana ary tratra niaraka taminy ihany koa ireo entana vao avy nangalarina toy ny « ampli », « décodeur », « baffle » miisa roa sy ny vata-fahitalavitra « écran plat » ary « jeux PlayStation PSII ». Tamin’ny fakana am-bavany azy indray no nahafahana nisambotra ny namana telo hafa dia tsy iza fa i Rasta sy Razaka ary Rabetsy. Ity farany izay tafatsoaka teny am-baravarankely tamin’ny fisamborana azy ireo ny alatsinainy lasa teo iny. Ny ampitson’iny ihany anefa dia naterin’ny havany teny amin’ny kaomisaria i Rabetsy. Efa mpamerin-keloka avokoa izy ireo, raha ny tatitra avy amin’ny polisy. Natalotra ny fampanoavana omaly ny efa-dahy raha toa ka mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay naratra voatifitra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







