Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Lomorina ireo mpiasam-bahoaka

Resa-be sy fampandriana adrisa fotsiny ny filazana fa laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana an’i Madagsikara ny ady amin’ny kolikoly. Taona maro aty aorian’ny nananganana azy dia tsy hita izay vokatra nisongadina azon’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) fa toa saika ny resaka fanentanana sy ny fihetsiketsehana no betsaka. Nalaza anefa tamin’ny fotoana nananganana azy fa ny Bianco no sampan-draharaha be karama indrindra eto Madagasikara. Natao nidangana be ny vola omena ireo mpiasa ao mba ho sahy hijoro amin’ny marina ary tsy hilefitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpanao kolikoly. Tsy namokatra izany fa ny tatitra lava dia lava isan-taona hanaporofoana fa mihamafy hatrany ny kolikoly no mba asa vitan’ny Bianco. Tsy hita ihany koa izay olona tena nogadraina sy nosaziana ary nasaina namerim-bola teo. Natao ihany koa ny atrikasa hanavaozana ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika nefa mbola tsy nisy vokatra ihany izany. Hita mibaribary eo anivon’ny fitondram-panjakana koa ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny rehetra. Ny tena akaiky indrindra dia ilay fanomezana vahana ny olom-pantatra. Tafiditra tanteraka amin’ny kolikoly mantsy ny antsoina hoe « trafic d’influence » izany hoe fampiasana ny fahafantarana olona hahazoana tombontsoa. Tsy mila fanadiahadiana lalina fa hita tsotra izao fa ireo olona akaiky ny filoha sy ireo minisitra ao anaty governemanta hatrany no nomena ny toerana  hisahana andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Olom-pantatry ny mpitondra avokoa izany no mahazo seza. Voalohany amin’ireny ny mpanao politika eo anivon’ny Hvm, ny mpikambana amin’ny Rotary club, ny Ceds, ary ny Yltp. Olon’iretsy voatanisa ny ankamaroan’ireo nomena toerana hitantana andraikitra ambony eto anivon’ny firenena. Saika mifankahalala avokoa mantsy izy rehetra ireo. Ankoatra izay dia ireo havana aman-tsakaiza, mpiray fihaviana, mpiara-mianatra fahiny, sy mpiara miasa taloha amin’ny filoha na ireo minisitra no nomena seza. Tsy mahagaga raha tsy mety miainga ny asa fampandrosoana satria lasa kitranoantrano fotsiny ny raharaham-pirenena. Tsy sahy mifampiteny sy mifanebaka rehefa misy manao ny tsy mety satria mpihavana sy mpinamana ary mpiray fikambanana sy fihaviana ihany ka sarotra ny hanakalo ny tsikalakalam-pihavanana amin’ny raharaham-pirenena. Mahagaga fa tsy mba manokatra fanadihadiana mikasika izany mihitsy ny eo anivon’ny Bianco nefa milaza ho miasa mafy sy miasa tsara. Santionany iray amin’ny endriky ny kolikoly ny fizarana seza politika mba ahafahan’ny akama miara-mitsentsitra ny raharaham-pirenena ary saika hita amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra eny anivon’ny asam-panjakana mihitsy io fahalovana io. Firifiry amin’ireo mpiasa tsotra eny anivon’ireny minisitera ireny no  mpihavana satria nampidirina tao ny rahalahy sy anabavy, ny zana-drahalahy sy zanak’anabavy ary ny vinanto sy ny fianakaviany. Mahalala olona eny amin’ny minisitera ka mandoa vola be dia tafiditra. Ny asam-panjakana rahateo alasafay ka mahasarika ny olona ny  hiditra ao. Vetivety dia tafaverina ny vola be naloa mba hahazoana asa eny anivon’ny minisitera noho ny kolikoly fanaon’ireo mpiasam-panjakana. Ny sehatra rehetra, manomboka eny amin’ny mpitandro filaminana mandrindra ny fifamoivoizana, ka hatreny amin’ny dokotera mpandidy eny amin’ny hopitaly dia misy kolikoly avokoa nefa tsy hita izay andraikitra tena raisin’ny Bianco manoloana izany. Resa-be fotsiny mba entina hanehoana fa miasa sy mendrika ny handray karama miampy tombontsoa be fotsiny ny hetsika rehetra ataon’ireo milaza fa manana andraikitra sy fahefana amin’ny ady amin’ny kolikoly fa raha ny zava-misy dia tsy misy ady amin’ny kolikoly izany eto Madagasikara. Ilan’ny mpiasam-panjakana vaniny avokoa izay manan-draharaha rehetra mba ahafahan’izy ireo mitaky vola be amboniny vao vita ny raharaha sy fikarakarana tarartasy. Ireo mpitondra sy mpiasam-panjakana mihitsy no tena tsy mampandroso ity firenena ity. Fomba fitenin’ny vahoaka ny hoe tokony ahongana ny mpitondra fa tsara kokoa noho izay raha ireo mpiasam-panjakana rehetra mihitsy no roahina dia soloina vaovao !

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre