Cnaps sy Dinec – Miara-miasa manatsara ny fiahiana ara-tsosialy
Mitana andraikitra lehibe amin’ny lafiny fanabeazana eto Madagasikara ny sekoly katolika. Tsara ny vokatra noho ny fanajan’ny mpianatra ny fitsipi-pifehezana. Mila fanofanana kosa ny talen-tsekoly amin’ny fanajana ny lalàna mifehy ny asa, ka izany no mahatonga ny vondrom-pampianarana katolika (na ny Dinec) hiara-hiasa amin’ny Cnaps. Tanjona ny tsy hahavery zo ireo mpampianatra sy mpanabe katolika.
Toy ny diosezy maro nolalovan’i Dinec sy ny Cnaps dia mbola ambany dia ambany ny karaman’ny mpampianatra amin’ny tontolo ambanivohitra any Mananjary, ka lasa miteraka olana eo anivon’ny toeram-piasana sy ny zo fototra ara-tsosialy. Noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny dia kely ihany koa ny saram-pianaran’ny mpianatra, hany ka sahirana ny talen-tsekoly amin’ny fikarakarana ny fiahina ara-tsosialin’ireo mpandraharahan’ny sekoly sy ny mpampianatra. Nisy araka izany ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny roa tonta. Fantatra nandritra ny atrikasa fa afaka fenoina amin’ny alalan’ny fanomezana tombontsoa hafa toy vokatra na fanomezana trano fonenana ny vola karaman’ny mpampianatra. Tsy maintsy aloa kosa ny latsakemboky ny mpiasa mba ahafahan’izy ireo misitraka ny zo ara-tsosialy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







