Lehilahy voatifitra teo amin’ny lohany – Tsy fantatra na ho faty na ho velona
Raim-pianakaviana iray no ahiana mafy ny fahasalamany rehefa notifirin’ny jiolahy, teny Mascar Andravoahangy. Omaly maraina, tamin’ny 5 ora tany ho any no nitrangan’izany. Telo mianaka izy ireo no handeha hamonjy fivavahana vao maraina, araka ny loharanom-baovao. Mbola niandry namana anefa izy ireo dia nipetraka tamin’ny toerana iray akaiky teo. Tamin’izay fotoana izay indrindra no tonga avy any ny jiolahy miisa 2 miaraka amin’ny basy nanatohaka izany teny amin’ny lohan’ilay raim-pianakaviana ka nitifitra avy hatrany. Nianjera nidoboka tamin’ny tany ny lasibatra, nandriaka ny rà. Lasa nandositra niaraka tamin’ny kitapo kely nisy Baiboly roa sy fihirana ary vola 30 000 ariary ireo olon-dratsy. Nikiakiaka niantso vonjy kosa avy eo ny vadin’ilay lehilahy ka nampandre ny tompon’andraikitra noho izany ny manodidina. Nidina nijery ifotony ny zava-misy ny mpitandro filaminana sy ny fiara mpitondra marary nitondra azy teny amin’ny hopitaly Hjra. Araka ny fanambaran’ny mpitsabo nandray an-tanana azy, omaly maraina, tokony tamin’ny 8 ora tany ho any dia ahiana mafy ny toe-pahasalaman’ity lehilahy ity satria goaka be mihitsy ny lohany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







