Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Ankadindramamy – Olona telo maty an-drano vokatry ny oram-be

Namono olona indray ny andro ratsy sy ny oram-be teto an-drenivohitra. Olona telo no fantatra fa namoy ny ainy latsaka tao anaty rano, teny Ankadindramamy. Zaza 12 taona ny iray ary  lehilahy nikasa hanavotra azy ny roa. Ny alahady hariva no latsaka tao amin’ny rano teny an-toerana ilay zaza nandritra ny oram-be nikija iny. Hatramin’ny omaly maraina anefa dia mbola tsy hita izy io ka niezaka nanavotra azy ireo fokonolona.

Tsy mba nahalala niantso ny mpamonjy voina anefa ireto fokonolona raha vao nitranga ny loza fa niantehatra tamin’ny fikarohan’ireo lehilahy monina eny ihany. Tamin’ny fikarohana ny vatan’ilay zaza iny indrindra anefa dia nalentiky ny rano indray ny roa tamin’ireo nikasa hamonjy ilay zaza. Tamin’izay fotoana izay araka ny loharanom-baovao, vao nampilaza ireo mpamonjy voina ny fokonolona. Nidina teny an-toerana avy hatrany izy ireo nitady ireo niharam-boina ka efa vatana mangatsiaka an’izy roalahy nanavotra no nojonoan’ireo mpamonjy voina. Mbola tsy hita kosa ny fatin’ilay zazakely hatramin’izao fotoana hanoratana izao. Mitohy ny fikarohana.

Laurena Nany

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre