Adin-tany ratsy fiafara – Lehilahy iray tsy fantatra na ho faty na ho velona
Lehilahy iray no maratra mafy amin’izao fotoana izao ary tsy fantatra na ho faty na ho velona rehefa nokapain’ny lehilahy iray hafa antsy, vokatry ny lonilony teo amin’ny roa tonta, noho ny adin-tany. Ny sabotsy 13 febroary lasa teo, tao amin’ny fokontany Vohimasina avaratra, kaominina Ampasimanjeva, any amin’ny distrikan’i Manakara no nitrangan’izany. Araka ny tatitra avy amin’ny zandary dia nibodo ny tanin’ilay nandratra ity lehilahy naratra mafy ity. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ity farany teo amin’io tanin’olona io fa ny zava-misy dia efa ela no nisy ny lonilony teo aminy sy ny tompon-tany. Noroahina foana fa tsy mety miala mihitsy ary io sabotsy io no voalaza fa fe-potoana nomena azy farany.
Rehefa nidina teny an-toerana ilay lehilahy nilaza fa tompon’ny tany hanala azy dia raikitra ny ady teo amin’ny roa tonta izay niafara tamin’ny fikapana tamin’ny antsy. Naratra mafy rehefa voa teo amin’ny kibony sy ny tarehiny ilay voalaza fa mibodo ny tanin’olona ka tsy fantatra na maty na velona amin’izao fotoana izao satria mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny toerana natokana ho an’izany. Ilay nahavanon-doza kosa nosamborin’ny zandary avy hatrany ary natao famotorona.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







