Amparafaravola – Lehilahy mamo lava, maty niampita lakan-drano
Tovolahy iray 32 taona, no hita faty tao anaty lakandrano, tao amin’ny fokontany Ambalabe, kaominina Anorohoro, distrikan’Amparafaravola, ny sabotsy lasa teo, tokony tamin’ny 12ora sy 45 minitra. Nampilaza ny mpitandro filaminana avy hatrany ny mponina ka nidina avy hatrany teny amin’ny toerana nisy ny razana izy ireo niaraka amin’ny dokotera. Nandritra ny fitiliana natao no nahalalana fa maty noho ny fisotroana toaka be loatra ilay lehilahy satria nahenoana fofona alikaola ny vatany ary nohamafisin’ny havany koa izany. Araka ny voalaza dia niampita lakandrano izy no nianjera tao ka tsy afaka nitsangana intsony ary nitarika ny fahafatesany.
Natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana natao.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







