Taksiborosy nivadika – Olona sivy naratra
Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena Rn34, ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 2ora sy 45 minitra tany ho any. Taksiborosy iray marika Mazda avy any Antsirabe ho any Miandrivazo no tra-doza rehefa tonga teo amin’ny kaominina Ankazomiriotra, distrikan’i Mandoto. Avy be ny orana tamin’io fotoana io ka nivadika ambony ambany ilay fiara vokatry ny lalana nalama. Vokany, mpandeha miisa 9 no naratra fa ny mpamily no voalaza fa tena voa mafy. Zandary miisa 2 ihany koa no naratra nandritra izany loza izany, izay nanao « escorte » io fiara mpitatitra olona io. Nalefa haingana nihazo ny hopitaly any Antsirabe ilay mpamily fa ireo sivy hafa kosa najanona ao amin’ny CsbII Ankazomiriotra ary efa samy nahazo fitsaboana avokoa amin’izao fotoana izao. Tokony hitandrina noho izany ireo mpamily ny fiarakodia, indrindra ireo mandeha lavitra amin’izao andro ratsy izao fa tsy mampiomana ny loza.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







