Antsiranana – Raim-pianakaviana notetehan’ny jiolahy antsy
Miaina ao anaty tsy fandriampahalemana ny mponina any Antsiranana amin’ izao fotoana izao. Raim-pianakaviana iray indray no voalaza fa naratra mafy notetehan’ny jiolahy ny antsy tao an-tranony, ny talata maraina lasa teo, vao mangiran-dratsy, tokony tamin’ny 2ora tany ho any. Tao amin’ny fokontany Ambohimitsinjo, andrefan’ny lisea teknika no niseho ny fanafihana ka roalahy nitondra zava-maranitra no nanantanteraka izany. Mbola tao anaty torimaso tanteraka ny lasibatra tamin’ny fahatongavan’izy ireo tao. Taitra avy hatrany izy io vao naheno ny tabataba nataon’ireo olon-dratsy ka tamin’izay indrindra no nanetehan’izy ireo azy. Niezaka niaro tena ilay raim-pianakaviana ka tratran’ny antsy ny tanany havia sy ny tongotra havia ihany koa. Tsy nahazo na inona na inona kosa ireo mpangalatra fa nandositra avy hatrany rehefa niantso vonjy ilay lasibatra. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly manara-penitra any Antsiranana ny naratra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







