Andron’ny sekoly – Famolavolana ara-kolotsaina ny mpianatra
Naresaka ny fankalazana ny andron’ny sekoly teto Madagasikara ny 17, 18, 19 febroary. Samy nanana ny fomba nankalazany azy ny sekoly rehetra, tao ireo nanao fifaninanana isan-kilasy sy hetsika maro. Raha ho an’ity lisea tsy miankina “la sirène » Anosibe ity, natokana ho an’ny fanadiovana ny andro voalohany,ary ny faharoa kosa natokana ampialana voly ny mpianatra, ao anatin’ izany ny « questions pour un champion » sy ny fifaninanana ara-panatanjahantena maro isan-karazany toy ny basket, foot, volley-ball…Araka ny nambaran’ny talen’ny sekoly Rakotoarison Mamy dia « natao hamalifaliana ny mpianatra sy hamolavolana ny toe-tsain’ izy ireo ny andron’ny sekoly. Ho anay manokana dia nofaranana tamin’ny lanonana sy fanomezana loka ireo mpianatra naharesy tamin’ny fifaninanana, Ohatra amin’ny izany ny finday,boky, mp3 sns… Tsy diso anjara tamin’izany ihany koa ireo mpampianatra fa nahazo mari-pankasitrahana ihany koa ».
St jacques Marino
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







