Antamponjina Fianarantsoa – Zazalahy 9 taona hita faty tao amin’ny ranon’i Tsiandanitra
Rehefa nokarohina ny alakamisy tolakandro sy ny alina tontolo dia hita ihany ny vatana mangatsiaka ny zazalahy kely vao 9 taona monja, teo amin’ny barazy Antamponjina, any Fianarantsoa rehefa navalan’ny ranon’i Tsiandanitra, ny marainan’ny 18 febroary lasa teo. Andiana ankizy maromaro izy ireo no nilalao rano raha tampoka teo tsy hita izay nalehan’ilay ankizy kely. Taitra ireo olona nanasa lamba teo amin’izany rano izany raha naheno ny kiakiakan’ireo ankizy niara-nilalao taminy nilaza fa lasan’ny rano izy io.
Taitra ihany koa ny ray aman-drenin’ity farany izay tsy lavitra teo ka nampandre haingana ireo mpamonjy voina. Fa mandra-piandry ireto farany dia nifanome tanana ireo vatan-dehilahy teo an-toerana nikaroka ilay zaza ka efa tany amin’ny barazin’Antamponjina no hita ilay zaza ary efa vatana tsy misy aina intsony no nampiakarina, omaly maraina. Nandalo tao an-toerana ihany ity namoy ny ainy ity sy ny ray aman-dreniny ka nanararaotra nilalao ny ranon’i Tsiandanitra. Raha ny filazan’ny tompon-tanàna dia masiaka vahiny io rano io.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







