Marolambo – Taolam-balo 35 kilao saron’ny zandary
Olana goavana tsy mety voavaha eto amintsika ny resaka halatra taolam-paty. Tsy fantatra marina ny tena angalaran’ireo olon-dratsy fa araka ny feo mandeha dia lafo vidy be ny taolam-paty ka mahatonga ny firongatra ny halatra. Hatramin’izao ihany koa dia mbola tsy fantatra ireo trondro vaventy mpividy azy io ity fa toa mijanona hatreo amin’ny fisamborana ireo olona hahatratrarana izany ihany ka mampametra-panontaniana ny olona maro ny mahakasika ity halatra taolam-paty ity.
Rangahy iray indray izao no nahatratraran’ny zandary taolam-paty milanja 35kg tao amin’ny kaominina Andonabe, any amin’ny distrikan’i Marolambo, ny alarobia 17 febroary lasa teo. Monina ao Maromitety Marolambo ihany io lehilahy io, araka ny fanampim-baovao voaray. Efa mandeha ny fanadihadiana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







