Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Lalam-pirenena faha 2 sy lalana faha 44 – Kamiao fitaterana entana roa nivadika ambony ambany

Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana nanomboka ny alakamisy alina hifoha zoma ary saika kamiao mpitatitra entana avokoa ireo tra-doza ireo. Ny alin’ny alakamisy izao dia kamiao iray nitondra harena an-kibon’ny tany no nianjera tao ambanin’ny tetezan’i Bekatsaka, tany amin’ny Rn44. Ny tetezana iampitana efa ratsy, ny vesatr’ilay fiara ihany koa nanampy trotraka ka niteraka izao loza izao satria tsy nahazaka ny lanjan’ilay fiara intsony ilay tetezana vita amin’ny hazo. Olona telo tao anatin’ity kamiao ity no naratra vokatr’izany.

Fiara vaventy iray ihany koa no nivadika ambony ambany, omaly, teny amin’ny lalam-pirenena  faha 2. Teo Ambohimangakely, tokony tamin’ny 12ora atoandro no nisehoan’izany. Tsy fantatra mazava ny tena olan’ilay mpamily kamiao fa tafatsaoka tamin’ny lalana ny iray tamin’ny ila rambony ( remorque) ka nifaoka fiara kely marika « bâché ». Nipitika tao anaty antsana noho izany ity farany raha toa ka nivadika ambony ambany teo amin’ny arabe kosa ilay kamiao. Voatsindrin’ilay fiara lehibe dia naratra mafy ny mpamilin’ity farany ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly fa naratra kely fotsiny ilay nitondra ilay « bâché ».

Roa hafa naratra mafy teny Anosimasina

Lehilahy roa hafa no naratra mafy mbola vokatry ny lozam-pifamoivoizana hatrany, teny Anosimasina. Ny harivan’ny alakamisy, tokony tamin’ny 6ora sy 45 minitra tany ho any no niseho ny loza voalohany. Lehilahy iray mamo tampina no nofaohan’ny kamiao iray nandalo tamin’iny lalana iny. Nivoaka avy tao amin’ny toeram-pisotroana toaka iray manodidina teo ilay lehilahy no voafaoka raha nikasa iampita arabe. Vaky loha dia torana tsy nahatsiaro tena ilay voadona ary nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany.

Tovolahy iray nitondra môtô skotera ihany koa no voafaokan’ny fiarakaretsaka, omaly maraina, mbola teo amin’ny toerana nisehoan’io loza voalohany io hatrany. Niromorimo mafy avy any ilay nitondra kodiaran-droa ka tsy nahatana ny familiana izay nahatonga ny fifandonana tamin’ny roa tonta. Naratra ilay nitondra môtô ary potika tsy nisy noraisina ihany koa izany fitaovana izany.

Laurena Nany 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre