Mazda nifatratra tamin’ny kamiao – Tovovavy iray namoy ny ainy teny Talatamaty
Tovovavy iray no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana, omaly maraina, teny Talatamaty. Miisa 6 izy ireo no tao anatin’ny fiara marika Mazda iray, ka izy irery no vehivavy fa lehilahy avokoa ny ambiny ary mamo ireto farany satria avy nisotrosotro, araka ny vaovao voaray. Efa nahazo azo alikaola dia nirimorimo mafy ilay mpamily ka tsy nahatana intsony ny familiana ary nifatratra avy hatrany tamin’ny kamiao iray nijanona manoloana ny banky iray eny an-toerana, tokony tamin’ny 1ora tany ho any.
Tapaka « courroie» ilay fiara vaventy ka nanolo izany no antony nijanonany teo ary efa nametraka « triangle de signalisation sy bande fluorescente » fa noho ny hamamoana dia efa tsy hitan’ny mpamilin’ilay Mazda intsony izany. Vokany, maty tsy tra-drano ilay tovovavy ary efatra tamin’ireo tovolahy naratra mafy fa ny mpamily tsy naninona.
Nandositra kosa ity farany sy ireo naratra miisa 2, araka ny loharanom-baovao hatrany satria fiaran’ny olona namboarina ity tra-doza izay nentin’izy ireo nisotrosotro ity. Ireo naratra roa hafa kosa efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Hjra amin’izao fotoana izao. Efa mandeha ny fikarohana ireo nandositra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







