Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Mila porofo !

Tsy ampy porofo fa lasa resaka fotsiny ! Io no tena anisan’ny olana tsy mampandroso an’i Madagasikara, ary saika mitranga amin’ny sehatra rehetra. Nisongadina izany tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo mikasika ny tatitra nataon’ny sampan-draharaha miady amin’ny famatsiam-bola (Samifin). Natevina dia natevina ny sora-bola navoakan’ny tatitra fa tsy ara-dalàna sy tsy dia mazava. Novakiany bantsilana ihany koa ireo mpanao trafika na andramena, sy ny mombamomba ny olona sasantsasany mpanao famotsiam-bola eto Madagasikara. Tsy nisy porofo tena mazava anefa izany rehetra izany. Ny atao hoe porofo amin’ny vahoaka malagasy dia ny fampakarana fitsarana sy fanagadrana ireo voalaza fa nanao heloka. Raha toa ka tsy mbola misy ny voaheloka  dia karazan’ny tombatombana ihany ny rehetra. Tsy nitombona araka izany ny filazana fa tena niasa ny Samifin satria tsy mbola nahavita nitarika olona na orinasa goavana izay nolazainy fa mpanao famontsiam-bola mba hiditra am-ponja . Toy izany hatrany zava-misy eto Madagasikara. Betsaka ny manao ny tsy mety sy ny tsy ara-dalàna saingy olom-bitsy azo isaina amin’ny ratsan-tanana ihany no tondroina fa tompon’ny heloka rehetra. Tsy manana porofo mazava sy tsy sahy manenjika ara-dalàna ireny olona endrikendrehana ho nanao ratsy  ireny anefa ireo sampan-draharaha karamaina amin’izany.  Tsy ny Samifin ihany fa eo ihany koa ny ny Bianco izay toa malaza tsy ihinanana toa lovian-tsahona fotsiny. Lasa resaka fanalam-baraka olona fotsiny ireo fanadihadiana mikasika ny trangana kolikoly satria tsy mbola nisy voaheloka higadra aman-taonany akory na iray aza. Iza no tsy mahalala fa mpanao kolikoly avokoa ny ankamaroan’ny mpiasam-panjakana mba tsy ilazana fa izy rehetra mihitsy. Ny fomba fidirana ho mpiasam-panjakana aza dia efa kolikoly vao tafiditra. Hita miharihary eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana rehetra ny kolikoly, eny hatreny an-dalana aza,  ireo mpitandro filaminana mihitsy no manao izany nefa tsy misy manenjika. Resa-be fotsiny ny an’ny polisy sy zandary ny amin’ny hoe ho saziana ireo olon’izy ireo tratra manao kolikoly fa hatreto aloha dia tsy misy ny fanatanterahana izany. Tsy mbola nandrenesana mihitsy teny amin’ny Bianco hoe nanatitra polisy na zandary tratra nanao kolikoly mba hanaovana fanadihadiana ao amin’ny Bianco ny lehiben’izy ireo ? Ny toy izany anefa no andrasana sy ilain’ny olona mba hiverenan’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana. Sarotra ho an’ny besinimaro ny handeha hitory ireo mpiasam-panjakana mpanao kolikoly raha mbola tsy misy ny fandraisan’andraikitra. Lany andro sy lany fotoana ary lany vola sy sahirana fotsiny ny mpitoroka satria tsy misy akory ny fanadihadiana sy fisamborana ary fanagadrana ireo mpanao kolikoly. Mbola ho ela vao handroso ity firenena ity raha toy izany hatrany ny zava-mitranga satria vola tsy hita pesipesenina isan’andro no very noho io fahalovana fanaon’ny mpiasam-panjakana io. Vola tokony hiditra any anaty kitapom-bolam-panjakana mba hanasoavana ny vahoaka sy ny firenena lasa any am-paosin’ireo fôksiônera tia tena sy tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoany manokana. Ireo mba tafiditra any anatin’ny kaontin’ny Fanjakana indray dia lany amin’ny fanodikondinana sy ny handoavana ny tombon-tsoan’ireo manam-pahefana ambony. Tsy sahy manenjika azy ireny anefa ny Samifin sy Bianco fa toa mifikitra fotsiny amin’ny resaka tatitra an-tsoratra sy antontan’isa izay tsy misy fiantraikany akory amin’ny fampandrosoana ny firenena. Lasa mpandany volam-panjakana fotsiny ireo sampan-draharaha roa ireo satria tsy hita izay tena vokatra omeny. Mba hisehosehoana sy ilazana fa tena miasa dia mody mikitika kely ireo sehatra tena manaitra ny vahoaka toy ny fanodikondinam-bola sy ny trafikana andramena nefa tsy mahavita manasazy izay olona lazainy fa mpanao izany fa toa lasa manendrikendrika fotsiny.

 

Ravalo tsy Manana

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre