Ady tany – Noravan’ilay milaza ho tompon-tany ny fotoam-pivavahana
Nisahotaka ny iray fiangonana, tao Ampasikibo, any Toliara, rehefa noravan’ilay olona milaza ho tompon-tany ny fotoam-pivavahana. Teo am-pitoriana teny indrindra ny pasitera no nitranga ny fanalam-baraka, omaly maraina. Ady tany teo amin’ny ingahy pasitera sy ny mpino iray tao aminy ihany no nahatonga izany satria samy milaza ho tompon’ny tany izay iorenan’ity fiangonana ity daholo ny roa tonta. Efa nisy mihitsy ny fitoriana an’i pasitera, araka ny vaovao voaangona.
Voalaza fa nosintomin’ilay mpino ny « micro » teny an-tanan’ilay mpitondra fivavahana tery amin’ny alitara dia niteny amin’izay izy hoe « Handao hivavaka fa izaho koa mahay mampivavaka ». Ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana no nampitony ny raharaha ka pasitera hafa tao an-toerana no voatery nanohy ny fivavahana fa ilay voalohany tsy nahazo nampivavaka intsony.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







