Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Lozam-pifamoivoizana – Namoy ny ainy nefa notoroina ilay raim-pianakaviana

Mbola voatory ihany ny raim-pianakaviana iray izay nindaosin’ny fahafatesana ny zoma 5 febroary lasa teo, tany Mahajanga, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nihatra taminy. Araka ny loharanom-baovao avy an-toerana dia nodomina teratany frantsay iray nitondra « Quad » ny lehilahy iray nitondra môtô ny androtr’io, teny akaikin’ny lisea Philibert Tsiranana. Mafy ny fifandonana ka nipitika lavidavitra nisian’ny loza izy io. Vokany, naratra mafy ka nifamonjena haingana nentina teny amin’ny hopitaly. Tamin’izay fotoana izay anefa dia nanome vola 400 000 ariary  ilay vazaha mba hitsaboana ny naratra saingy namoy ny ainy ilay lehilahy  andro vitsivitsy taorian’ilay loza.

Tsy nijanona teo fa nitory ilay vazaha nandona  ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy ary afaka madiodio teo anatrehan’ny Fitsarana iry voalohany, ny 17 febroary lasa teo fa ilay lehilahy nitondra môtô kosa voampanga ho tsy nanao aroloha. Tena nahagaga ny fianakavian’ny maty izany satria raha ny fanazavan’ny renin’ilay niharan-doza dia nasain’ny polisy nentina nody ilay aroloha rehefa vita ny fizahana ny razana tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza fa hoe efa betsaka loatra ny aroloha voatazona ao amin’ny biraon’ny polisy. Nilaza ny hampiakatra ny raharaha ny havan’ny maty.” Sanatria ve ho matimaty foana ny havanay”, hoy izy ireo.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre