Mpangalatra tratra ambodiomby – Nahazo fahafahana vonjimaika
Mpamaky trano gaigilahy efa ikoizan’ny mponina any Toamasina i « Zorro » ary vao tsy ela dia saron’ny mpitandro filaminana ambodiomby avy namaky trano tao Ambohijafy. Tamin’izay fotoana izay dia mbola sarona tao anaty môtô nentiny ireo entana halatra vao nangalariny. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana taminy dia niakatra fitsarana ny raharaha ary nahazo fahafahana vonjimaika i « Zorro » fa hoe tsy ampy ny porofo iampangana azy.
Ketraka sy valalanina manoloana ity fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitsara ity ireo olona nanaraka akaiky ity raharaha. « Fa miandry porofo tahaka ny ahoana ireo mpitsara vao ho gadraina ilay olon-dratsy. Efa manao ny asany ihany ny mpitandro filaminana fa ny ao amin’ny Fitsarana mihitsy no misy mpitsara matim-bola ka na efa tratra ambodiomby izao dia mbola omena fahafahana vonjimaika ihany. Efa hita mandehandeha aty Toamasina mitady izay arapany indray izao ingahy” Zorro”. Ny fanapahan-kevitra tahaka izao ihany no tsy ananan’ny olona fahatokisana amin’ny Fitsarana intsony ka mampirongatra ny fitsaram-bahoaka », hoy ny loharanom-baovao iray avy any an-toerana, niresaka anay an-telefaonina.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







