Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Ireo mpianatra ny Ceg no mpidoroka rongony

Mahazo vahana ny fidorohana zava-mahadomelina any Toamasina amin’izao fotoana izao ary ireo ankizy tsy ampy taona no voalaza fa tena mirona amin’ny fifohana izany. Telo lahy vao erotrerony no nosamborin’ny polisim-pirenena any an-toerana teo am-pifohana rongony tamin’iny herinandro iny, tany Andranomadio. Araka ny loharanom-baovao dia 14 taona monja izy ireo ary mpianatra ny Ceg iray any an-toerana. Nandritra ny famotorana azy ireo indray no nahafahana nisambotra ilay mpamatsy rongony, izay monina ao amin’ny fokontany Ankirihiry avaratra, vakim-paritra 11/58. Mbola sarona tao an-tranony ny fonosona rongony milanja 4kg, izay mifono tsara tao anaty harona plastika.

Raha ny angom-baovao voaray dia ireo mpianatra ny Ceg iray any an-toerana no tena mpidoroka ity zava-mahadomelina ity ary isaky ny handeha hilalao baolina kitra sy isaky ny alarobia sy sabotsy amin’ny fotoana tsy hianarana izy ireo no tonga mividy izany ao an-tranon’ilay mpamatsy. Fantatra hatrany fa ny vola atao solon-tsakafo omen’ny ray aman-dreniny azy ireo no hividianana rongony .

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre