Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Mamarina an-kady !

Tena tsy mbola nisy lalana simba toy izao teto an-drenivohitra hatramin’ny nisian’ny Repoblika teto Madagasikara. Tena efa nilaozan’ireo kaominina manodidina mihitsy Antananarivo renivohitra raha ny haratsin’ny lalana no jerena. Mivangongo eto avokoa anefa ireo tompon’andraiki-panjakana rehetra miainga eny amin’ny fiadidiana ny Repoblika, mandalo amin’ny governemanta, ary mipaka any amin’ny faritany sy faritra ary kaominina sy fokontany. Rehefa mahazo fitenenana izy ireny samy miseho azy ho tena faratampony amin’ny fitiavana ny firenena sy ny fanasoavana ny vahoaka nefa toa mifampiandriandry fotsiny amin’ny fanapenana ireo lavaka be manerana ny arabe izay efa mila tsy azo alehan’ny fiara intsony. Azon’ny fiadidiana ny Repoblika atao tsara mihitsy ny  manome baiko hanamboarana tsy misy hatak’andro ny lalana eto an-drenivohitra nefa tsy ataony izany. Manana andraikitra ihany koa ary efa nampanantena ny hanao ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny minisiteran’ny Asa vaventy nefa tsy hita izay asa tena natao teo hatreto. Ankilan’izany, tsy misy ilana azy mihitsy ny faritany sy ny faritra raha mikasika ny renivohitra satria toa variana any amin’ny zavatra hafa. Tsy lazaina intsony ihany koa ny fitaredretran’ny eo anivon’ny kaominina izay toa mandany andro manangana ady sy mamorona fahavalo etsy sy eroa fotsiny. Ny fokontany ihany koa afaka manampina vonjimaika ireo lavaka amin’ny arabe mandalo amin’ny tananany saingy toa mody fanina sy miala andraikitra toy ireo manam-pahefana amin’ny sampan-draharaha hafa. Raha ny haratsin’ny lalana eto an-drenivohitra  fotsiny no resahana dia azo ambara fa tena toy ny tany tsy misy Fanjakana eto amintsika. Na dia mitampina aza ve ny mason’ireo milaza azy ho mpitondra rehetra ireo dia tsy hahita fa feno lavaka sy tsy azo aleha intsony ny lalana nefa renivohitra ity Antananarivo ity ary tokony ho modely amin’ny fahatomombanan’ny foto-drafitr’asa ? Izay miteny sy mitaraina indray no lazaina fa mpamingana sy mpanakorontana. Ny hitango vola amin’ny fampanofana ny toeram-piantsonana no mahamaika ny eo anivon’ny kaominina fa tsy ny manamboatra ny lalana hivezivezena. Zaran’izy ireo ary angamba ho tapaka tanteraka ny lalana rehetra dia tsy misy fiara afaka mandeha intsony amin’izay mora ny mitango ilay Ar 500 isan’ora satria voatery hanajanona ny fiarany ny olona rehetra.

Tena lalana mamarina an-kady ara-bakiteny no misy eto satria ankoatra ireo lavaka be izay tsy fantatra ny antony nahatonga azy dia mbola misy tatatra be isaky ny 20 metatra ihany koa manavatsava ny arabe vokatry ny fanimbana izay ataon’ny Jirama. Lavahan’ny teknisian’ity orinasa ity ny arabe mba hitarihany ny fantsona mpitondra rano nefa avy eo tampenana amin’ny asa zara fa vita. Mbola maro be ihany koa ny lavaka vokatry ny saron’ny tatatra nisy nanala nefa tsy mba nisy ny fanoloana izany. Tsy mahagaga raha mitohana be ny fifamoivoizana satria tsy maintsy mifampiandry ny fiara fa tsy misy lalana afaka hifanenana an-kalalahana intsony eto. Tena very sy simba Antananarivo renivohitra fa tsy misy tompon’andraikitra azo ianteherana intsony satria samy mialangalana sy mandositra adidy avokoa. Rehefa hanaporitra vahoaka anefa dia samy mibontsina sy manandrikandrina fa tsy azo ivalozana ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Samy miseho azy tsy refesi-mandidy ary mihevitra ny vahoaka ho kentrina sy malemy ka manararaotra manao izay danin’ny kibony amin’ny fitantanana tsy mahomby sady tsy mamokatra. Adinon’ireo manam-pahefana tsy mahavita manamboatra ny lalana eto an-drenivohitra ireo fa matoa ny vahoaka mbola milamina dia noho ny fahendrena fa tsy fitiavana azy ireo na sanatria tahotra.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre