Andilamena – Lavon’ny balan’ny zandary i Legro sy ny namany
Taorian’ny fikarohana natao momba ireo jiolahy rain-dahiny amin’ny fandrobana vato sarobidy tany Andilamena dia saron’ny zandary ihany i Legro sy ny namany ary maty voatifitra ny alahady maraina lasa teo. Teo amin’ny tapa-bolana teo, voalaza fa nanafika mpandraharaha vato ny andian-jiolahy miisa 3 nirongo basy mahery vaika. Tsy novonoina fa nofatoran’izy ireo ny tongotra sy ny tanan’ilay lasibatra ka lasan’ireo tamin’izany ny vato « rubis » milanja 800 grama izay mitentina 8 tapitrisa ariary. Tamin’ny herinandro teo anefa dia namidin’ireo mpangalatra tamin’ny olona akaiky ny voaroba ihany ireo vato ireo ka teo no nanamboka ny fikarohana ary nahafahana nisambotra ireo jiolahy.
Noraisim-potsiny i Legro izay atidoha ny halatra ary efa mampiaiky ireo mponina any an-toerana sy ny namany iray hafa. Niaiky ny heloka vitany ny roa tonta nandritra ny famotorana azy ireo. Ny alahady teo, nentin’ny mpitandro filaminana nanoro ny toerana misy ny fitaovam-piadiana ampiasain’izy ireo sy ny namany iray hafa ireo jiolahy ka teo an-dalana hihazo an’ilay toerana indrindra anefa dia nikasa ny handositra izy roalahy ka voatery nitifitra ny zandary ary maty teo no ho eo izy ireo. Mitohy ny fikarohana ny jiolahy iray.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







