Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Hopitalin’ny reny sy ny zaza – Tsaralalana Ho vatsian’ny « Eau vive » rano isam-bolana

Efa nanomboka ny taona 2011 ny fiaraha-miasa teo amin’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza eny Tsaralalana sy ny « Eau vive », izay mifanaraka amin’ny hetsika fanatsarana ny fahasalaman-bahoaka ataon’ny Star. Omaly, no notontosaina teny amin’ny Tsaralalana ny fanaovanan-tsonia teo amin’ny mpitantsoratra jeneraly ny orinasa Star, Rabary Anna sy ny profesora Robinson Annick, talen’ny hopitaly ho fanaovana ny fiaraha-miasa amin’ny roa tonta. Toy ny efa fanao isam-bolana dia hitohy fizarana rano « Eau vive » miisa 600 amin’ny 50 cl an’ny hopitaly Reny sy zaza eny Tsaralalana. Rano « Eau vive » izay mifanaraka amin’ny fahasalaman’ny olon-dehibe sy ny ankizy.

Antony idiran’ny zaza hopitaly matetika ny resaka fivalanana sy mandoa noho ny tsy fahampian-drano ka anisan’ny fanafody mba ialana ny mety hahafaty azy ny fanomezana rano. Betsaka ihany koa ireo zaza vao teraka no tsy minono amin-dreniny dia ny « Eau vive » no rano ampiasaina hanamboarana ny ronono izay sotroin’ny zaza ka izay no antony nisian’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Star sy ny Hopitalin’ny reny sy ny zaza eny Tsaralalana.

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre