Mpikabary Malagasy – Nitsagana ny Fi.Mpi.Dimy
Tao anatin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny, ny 21 febroary 2016, no nanamafisan’ny solombavambahoaka sady mpikabary Naivo Raholdina, fa ny tenin-dreny no mora ampitàna haingana ny hafatra ho an’ny fampianarana. Io no tena mandrafitra ny kabary amin’ny foko valo ambinifolo eto Madagasikara ka izay no anisan’ny nananganana ny FIarahan’ny MPIkabary eto amin’ny Boriboritany faha Dimy na ny Fi.Mpi.Dimy, izay sampana kolontsaina iray ao anatin’ny fikambanana Fafi V.
« Kabary – Asa – Vokatra » no teny filamatra nentina nanokafana ofisialy ny Fi.Mpi.Dimy izay manambara sahady ny firaisan-kina ary ny fiarahan’ny mpikabary eny amin’ny boriboritany faha dimy. Tamin’ny famelabelarana sy ny fampahafantarana ny fikambanana no nanambaran’ny solombavambahoaka fa ny foibe toerana dia eny amin’ny trano fandraisam-bahoaka Ambohidahy Ankadindramamy, ary hisy ny fitetezana ny fokontany 27 ho fampahafantarana izany. Nanambara ihany koa ny tenany fa isan’ny tanjon’ny Fi.Mpi.Dimy ny mba iainan’ny isan-tokantrano manerana an’i Madagasikara ny kabary, ary miainga any amin’ny ankohonana mipaka any amin’ny fianakaviana.
Nomarihiny fa tsy misy ny latsakemboka fa ezaka kosa hampiroborobo an’io kolontsaina io no angatahana amin’ny tsirairay avy amin’ny fisian’ny fifaninanana sy ny don-tandroka sy tapo-tandroka, ny fihavanana kabary ary ny hatsikana kabary sy izay traikefa hananan’ny tsirairay mba ahafahana mifehy tanteraka sy analana ny tahotra ary henatra eo anatrehan’ny fikabariana.
Mia
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







