Toamasina – Mahazo vahana ny fidorohana zava-mahadomelina
Tsy mitsahatra ny manadio ny tanànan’i Toamasina noho ny fiadiana amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ny polisim-pirenena any an-toerana. Nandritra ny fisafoana ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny fokontany Tanambao V dia rongony milanja 46 kg sy 250 grama indray no saron’izy ireo, tao amin’ny tokantrano iray, izay mifono tsara tao anaty harona plastika. Mpivarotra iray ihany koa no nosamborina tamin’izany fotoana izany, ity farany izay voalaza fa mpamatsy ity zava-mahadomelina ity ao amin’izany fokontany izany. Niaiky ny heloka vitany izy io ary nilaza koa fa efa an-taonany maromaro no nanaovany ity asa ratsy ity, nandritra ny famotorana azy. Efa mpamerin-keloka ihany koa araka ny fantatra.
Tena mahazo vahana tanteraka ny rongony any Toamasina ankehitriny ary ireo zaza tsy ampy taona no tena voasarika amin’izany. Raha tsiahivina dia tovolahy kely vao 14 taona miisa 3 izay mpianatry ny Ceg iray any an-toerana no saron’ny polisy misahana ny fiadiana amin’ny zava-mahadomelina teo am-pifohana rongony teny Andranomadio. Voasambotra nandritra izay ihany koa ilay mpamasty izany azy ireo tao amin’ny fokontany Ankirihiry vakim-paritra 11/58.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







