Kopaka iraisana ihany !
Mazava ny hevitry ny antoko Tiako i Madagsikara fa te hiditra hiara-hitantana ny firenena amin’ny antoko Hvm izy ireo. Efa hatry ny ela ity antokon-dRavalomanana ity no nampisalasala ny olona ny fihetsiny satria toa manao tantanan-droa lela hatrany. Ny ankolafy iray manenjika sy tsy mitsahatra manaratsy ny fitondram-panjakana. Ny ankolafy ilany kosa anefa toa misolelaka te hitakosona amin’ny Hvm. Vao tsy ela akory izay ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nanao vava be fa tsy mahavita azy ity fitondrana ity ary tena mamarina an-kady ny firenena. Mbola niteny ihany koa izy fa hiady hatramin’ny farany amin’ity fitondrana ity mahakasika ny tany eny Andohatapenaka izay voalaza fa fananan’ny orinasa Tiko nefa nalain’ny Fanjakana hanamboarana ny tanàna andraisana ireo mpandray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny tany miteny manontolo na mampiasa amin’ny ampahany ny teny frantsay. Ireo solombavambahoaka Tim ihany koa dia nandray anjara mavitrika hatrany tamin’ny hetsika rehetra nentina nanozongozonana ny Antenimieram-pirenena, ny Praiminisitra sy ny filohan’ny Repoblika. Na izany aza anefa dia mbola anisan’ireo nanangan-tanana nandaniana ireo volavolan-dalàna rehetra naroson’ny Fanjakana teny anivon’ny parlemanta ihany koa ireo depiote Tim ireo. Mampiahiahy be ny tena foto-kevitra ijoroan’ity antoko ity satria raha toa ka tena hiditra hiara-hitantana ny firenena marina izy dia midika izany fa lasa mpanohana ny fitondrana Hvm. Iaraha-mahalala anefa fa efa atomotra ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018. I Marc Ravalomanana efa hatry ny ela no nilaza fa vonona haka ny fahefana ary tsy hiandry io 2018 io. Hanongana ny fitondran-dRajaonarimampianina avy ao anatiny ve izany no tanjon’ny Tim satria raha olona tsy hiandry ny 2018 izany dia hanongana no tetikadiny.
Karazan’ny manao gasy mody miombona ihany ny Tim sy ny Hvm raha izany satria mody tsy miady tsy miady nefa kibay an-kelika ihany. Raha ny zava-misy tokoa mantsy no jerena dia efa maro be ireo tombontsoa nomen’ny Filoha ankehitriny an-dRavalmomanana sy ny ekipany. Anisan’izany ny nahazoan-dRavalomanana nody teto Madagasikara ary nahazo fahalalahana tanteraka satria tsy nampiharina ilay didim-pitsarana fanagadrana mandra-pahafaty nomen’ny fitondrana tetezamita azy. Mbola ny fitondrana ankehitrny ihany koa no nahavita nanambitamby ny fikambanana AV7 mba hangina sy tsy hanitatra ny disadisa vokatry ny fitifirana teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009. Ireo antony rehetra ireo ve no mahatonga an-dRavalomanana sy ny Tim milaza fa tsy antoko mpanohitra ka vonona hatrany hifanome tanana amin’ny Hvm mba ampandrosoana ny firenena ? Politika no atao ary ny politikan’ny gasy hafa mihitsy satria mbetika miaraka, ary mbetika mifampihantsy eny ambony kabary.
Ho an’ny vahoaka dia politikan’ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tseza fotsiny no mahatonga ny antoko roa mpifaninana hifanatona. Ny mpanao politika tena vonona hitondra sy hampandroso ny firenena dia tsy miray petsapetsa na oviana na oviana amin’izay efa nolazainy fa tsy mahavita sy tsy mahomby, fa miandry ny fifidianana manaraka mba ahafahana mahazo ny fahefana amin’ny fomba demokratika sy am-pilaminana ka hitondrany sy hanatanterahany ny programam-pampandrosoana noheveriny fa mety. Vitsy anefa no sahy manao izany eto amintsika fa ny ankamaroany dia sodokan’ny seza sy ny fahefana kely mandalo ka mandefitra mba ahafahana mametraka olona hitavana tombontsoa avy amin’ny harem-pirenena izay mora atao lao-bomanga eo anivon’ny fitondram-panjakana. Mbola ho ela ity fitondrana ity vao handroso raha toa ka izany hatrany no fomba fisainan’ireo mpanao politika malagasy. Mody mifanenjika sy mifanaratsy nefa hay karazan’ny manao fandrahonana fotsiny mba ampitahotra ny mpitondra ka hanery ireto farany hanome seza.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







