Faritra Analamanga – Notolorana fitaovam-panatanjahantena ireo mpianatra
Ho mariky ny fanohanana sy firaisankina miaraka amin’ny ankizy malagasy dia notontosaina omaly, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny lanonana fanolorana ny fitaovam-panatanjahantena avy amin’ny lefitry ny Consulat-n’i Monaco, ho an’ny mpianatra amin’ny Faritra Analamanga. Ho amin’ny fanabeazana ara-batana sy fanatanjahantena tsara kokoa dia tonga nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny « vice-consulat »-n’i Monaco, ny lehiben’ny Faritra Analamanga ary ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenana. Nandritra izany fotoana izany no nanasongadinan’ny lefitry ny Consulat-n’i Monaco ny maha-zava-dehibe ny fanatanjahantena sy ny fanabeazana ara-batana, loharanom-kery sy ny « bien-être » izay antoky ny fahombiazana ny rehetra sady fototry ny ho avy ary fampandrosoana ny firenena iray. Aorian’izao dia hisy ny lalao fanatanjahantena isaky ny sekoly izay ho tanterahina manerana ny Cisco eto Madagasikara ka amin’ny andron’ny sekoly amin’ny taona 2017 no hanaovana ny lalao famaranana. Noho izany, ireo rehetra tafakatra amin’io lalao famaranana io no hisolotena ny tsirairay amin’ny alalan’ny Dren amin’ny lalao « jeux nationaux du sport scolaire » ho avy io.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







