Mpitsabo eny ambanivohitra – Dokotera miisa 40 nitsoaka ny asany
Raha 100 ireo mpitsabo napetraka hiasa tany amin’ny tontolo ambanivohitra tsy misy tobim-pahasalamana dia 60 sisa izy ireo ankehitriny. Noho ny tahotr’izy ireo ny tsy fandriampahalemana any amin’ny tontolo ambanivohitra no mahatonga izany ary eo ihany koa ny olana eo amin’ny fianakaviana satria tsy maintsy mandao ny fianarana sy ny asa ny vady aman-janak’ireo mpitsabo.
Voatery tsy maintsy miverina aty an-drenivohitra izy ireo noho ireo antony ireo ary mandao ny asa niandraiketany tany amin’ny faritra. Notontosain’ny tetikasa « Santé sud » omaly ny atrikasa sy dinika hamerenana ireo mpitsabo tsy miankina any amin’ny tontolo ambanivohitra ireo, mba ahafahan’ny mponina mahazo fitsaboana ary tsy ho sakana tsy ahazoan’izy ireo izany ny vola sy ny halaviran- dalana.
Araky ny nambaran’i Razakarison Clément, talen’ny « Santé sud » dia ny Faritra atsimo Andrefana no nanombohana ny asa voalohany ny taona 2009. Hita fa tsara ny asa tao anatin’ny taona 2009 ka hatramin’ny 2015. Ary amin’izao fotoana izao dia faritra maro no efa nanapariahana ny tobim-pitsaboana CsbII, anisan’izany ny any Ambatolampy, Mandritsara, Ankazobe…. Tokony ho lalana adiny iray dia efa mahita toby fitsaboana ireo olona any amin’ny tontolo ambanivohitra, tokony hanana mpitsabo 1 isaky ny olona 7000 ny faritra iray.
Tsy maintsy tohizana sy hatsaraina nefa ny asa ary tsy maintsy mametraka politika maharitra ny tompon’andraikitry ny tetikasa hanatanterahana izany. Mbola angatahan’ny « Santé sud » fiaraha-miasa hatrany amin’ ny ministeran’ny Fahasalaman-bahoaka, ireo mpamatsy vola sy ireo mpiara-miasa izany vinavinan-kasa izany.
St Jacques Marino
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







