Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Mpitarika posy tratra avy namaky trano

Mpitarika posy iray no tratran’ny mpitandro filaminana avy namaky trano, teny Anjoma, any Toamasina, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Manosika ireo entana halatra izy io no saron’ny polisy manao fisafoana manoloana ny fanaovana « karaoké » iray teny an-toerana. Mbola tratra niaraka teny aminy ny solosaina birao iray sy entana madinidinika fampiasa ao an-tokantrano. Nikasa handositra ity lehilahy ity raha vao nahita ny fahazavan’ny jiro fitsilovana nampiasain’ireo mpitandro filaminana nefa tsy lasa lavitra ka tratra ary nodarohan’ny polisy ny vodibasy avy hatrany.  Voa mafy, nitolefika tamin’ny tany ranamana.

Nentina haingana tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana natao famotorana izy io ary nandritra izany no nahalalana fa amin’ny atoandro ireo « mpitarika posy » no mivory sy miloka mitady izay toerana ho robaina ary amin’ny alina vao manao ny asa ratsy. Misy amin’ireo ihany koa no manao ny asa fanendahana. Araka ny fantatra dia aviliny any amin’ny lalana misy ny namany ny posy dia apetrany amin’ny toerana iray, fa izy mody mitsoaka fa ilay mpandeha avelany ho endahina eo. Mody miandry namana izy avy eo ary miverina maka ilay posiposy. Notanana ao amin’ny kaomisaria iray any an-toerana izy io miandry ny Fitsarana azy.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre