Vaky fasana – Telo lahy tratra nitondra taolam-paty 78 kilao
Mirongatra ny halatra taolam-paty etsy sy eroa. Telo lahy indray no saron’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny taolam-paty milanja 78 kg, izay nozaraina tao anatin’ny gony miisa 6, ny zoma lasa teo, tany Tsienimparihy, distrikan’Ambalavao. Araka ny loharanom-baovao, tsy nisy fomba tokony nahazoana vaovao kely aza amin’ny fomba fiasan’izy ireo, na ny mpaniraka ireo mpangalatra.
Tsy nety nilaza ny toerana niavian’ny taolana sy andefesana izany ireo jiolahy. Mbola ela noho izany vao ho fantatra ireo trondro vaventy mpividy ireny taolana ireny. Inona marina no tena zava-miafina ao ambadika ity fangalarana taolam-paty ity ? Tena lasa saina ny rehetra hoe ny fiaraha-monina sy ny soatovina malagasy mihitsy ve no tena tiana potehina sy foanana amin’izao fandringanana ny razan’ny olona izao ?. Taorian’ny famotorana azy telo lahy dia notanana tao amin’ny kaomisaria Ambalavao izy ireo ary ny alatsinainy lasa teo no niakatra Fitsarana ny raharaha ary naiditra am-ponja vonjimaika any Fianarantsoa ireo olon-dratsy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







