Ambalavelona : devoly, odigasy sa aretina tsotra?
Mirongatra indray ny ambalavelona amin’izao fotoana izao. Ary ireo ankizivavy manodidina ny 11 ka hatramin’ny 17 taona no tratrany. Tsikaritra ihany koa fa saika ireo mpianatra amin’ny sekoly katolika no voany matetika. Samy manana ny fijeriny sy ny filazany momba ny ambalavelona anefa na ny mpivavaka na ny mpitsabo. Samy milaza mahasitrana an’ity aretina ity avokoa izy ireo. Inona marina moa ity aretina hafahafa ity ary avy aiza ny niandohany ? Misy fanàfana tokoa ve ?
Ambalavelona
Ny ambalavelona dia karazana olona tratran’ny devoly. Kiakiaka, antsoantso ary mandrifatra sy matanjaka be ireo tovovavy rehefa miseho ny aretina ka sahirana ireo mitazona azy ireo eny fa na dia lehilahy matanjaka aza. Mandritra ny ora iray eo ho eo no miseho izany krizy izany ary malemy indray rehefa avy eo. « Lasa matanjaka be izay olona tratrany, mitrifana ary mila ho tsy voatanan-dehilahy matanjaka mihitsy. Toy ny lasa adala e ! Ary ny tena loza dia tsy tadidiny ny zavatra nahazo azy rehefa hanontaniana izany izy. Tsy isan’andro ihany koa izy io no mihetsika fa indray mandeha isaky ny iray volana», hoy ity renim-pianakaviana iray, nitantara ny fomba fisehony.
Miseho amin’ny endrika maro
Raha ny fantatra mahakasika ity aretina ambalavelona ity dia maro ny tranga fisehony : tsy mahatsiaro tena, miteniteny foana, miolakolana…. Olona ihany koa no milalao azy io araka ny fanazavana azonay. Misy karazany maro ihany koa no fiantsoana azy, any Ambatondrazaka. Ao ny antsoin’izy ireo hoe “Do miezaka”, ka miolakolaka sahala ireny bibilava ireny izay voany. Ao koa ny antsoina hoe “Fary malazo”, izay tsy ahafahan’izay tratrany mihetsika fa malemy sy malazo tanteraka.
Ny niandohan’ny ambalavelona
Ara-tantara, ary izay no zava-misy araka ny fitantaran’ny mponina eny an-toerana, dia karazana fametrahana fanafody gasy ho fiarovana ny omby izy io. « Vala velona » no anarany. Izany hoe nofaritana tao anaty vala ny omby mba tsy hihetsika. Ka raha misy tafavoaka an’io dia mitroatra tsy azo sakanana, ka raha tsy ny tompony tsy mahazo azy. Tany amin’iny faritr’i Mahajanga iny no voalaza fa nisehoan’izany. Saingy rehefa nifanerasera nividy omby tany ireo mponina avy ao Ambatondrazaka dia nandray izany ka tsy tany amin’ny biby ny azy no natefany fa nataony tamin’olona. Nanaovana hasomparana ary teo no niovan’ilay anarana ho « ambalavelona ». Tamin’ny taona 1970 ka hatramin’ny taona 1980 tany no nosoritan’ ireo ray aman-dreny nanaovana fanadihadiana fa tena nampafana vay an’ity aretina hafahafa ity tao Ambatondrazaka. Ny dadarabe sy ny mpimasy no manala izany vao sitrana ilay olona.
Aretina tsotra araka ny fanazavan’ny mpitsabo
« Ny zavatra misy, ny mpilaza koa anefa mahay », hoy ny fitenenana satria hafa mifanohitra amin’izay ny fanazavan’ireo mpitsabo, ny mpitsabo ankapobeny sy ny psychiatre. Amin’izy ireo dia ny tsy fahampian’ny kalsiôma sy ny aretin-tsaina no mahatonga ny olona ho toy ireny lasa adala ireny. « Mihetsika krizy mafy mihitsy mantsy ny olona tratran’ireo tsy fahasalamana ireo ka heverin’ny olona fa voan’ny ambalavelona. Rehefa omena fanafody sy manaraka fitsaboana tsara anefa ilay olona dia sitrana », hoy ny mpitsabo ankapobeny iray any Alaotra, noresahina an-telefaonina.
Asan-devoly hoy ireo mpivavaka
Ho an’ny mpivavaka indray dia tsorin’izy ireo fa asan-devoly ny ambalavelona. « Fanahy ratsy mipetraka amin’olona velon’aina iray izy io, ka mahatonga ity farany ho verivery saina, tsy mahalala izay tokony hataony. Ivavahana sy hametraha-tànana ny olona voan’ireny », hoy kosa ny mpiandry iray ao amin’ny fiangonana Fjkm iray eto an-drenivohitra. Ary dia misy dia misy tokoa, raha ny nanipihany azy, no sitrana tanteraka satria niasan’ny Fanahy Masina.
Misy mistery ny ambalavelona
Na ny mpitsabo na ny mpiandry, raha izay asany izay, dia tsy mino loatra ny fisian’ny ambalavelona. Niaiky anefa izy ireo fa misy ny marary tsy sitrana ao amin’izy ireo. Ary ilazany fa mistery ihany ny fisian’ity ambalavelona ity. Samy nanipika ihany koa izy ireo fa misy dia misy ny mpimasy mahasitrana ity aretina ity.
Olona nanao azy ihany no mahasitrana azy
Tena loza ny ambalavelona ary tsy misy fanafody mahafaka azy na aiza na aiza raha tsy ilay olona nanao azy ihany. Ary indraindray dia tsy afak’ilay olona nanao azy intsony mihitsy izany. Any Ambatondrazaka no voalaza tena mpilalao ity aretina hafahafa ity. Antenaina fa tsy ho ela dia hisy fanazavana bebe kokoa mikasika ity ambalavelona ity avy amin’ny tompon’andraikitra,.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







