Loholona tia seza !
Nifantoka tanteraka tamin’ny fizarana seza ny fivoriana rehetra izay efa nataon’ireo mpikambana ao Antenimieran-doholona hatramin’izay nijoroan’ity andrim-panjakana ity izay. Mizara seza indray ny Hvm hoy ny vazivazin’ny mpijery lohatenin-gazety eny an-dalana eny. Toa marina ihany ilay izy satria lasan’ny Hvm avokoa ny toerana sy andraikitra ambonimbony rehetra. Lojika izany satria izy ireo no maro an’isa ary manaraka ny lalàna manan-kery ny fomba nandrotsahany kandida sy nanendreny ireo olony. Mipetraka ihany ny fanontaniana hoe tena afaka mijoro ho loholona solontenan’ny vahoaka any amin’ny faritany misy azy tokoa ve izy ireny. Raha ireo anarana efa fantatra fa voafidy mantsy dia toa tsy mba anisan’ny olona efa niatrika fifidianana mivantana ka lany tamin’izany fandrotsaham-baton’ny vahoaka. Dia hitondra inona sy hahavita inona ho an’ny isam-paritany izany izao ireto loholona filoha lefitra miisa 6 ao amin’ny lapa an’Anosikely ireto. Inona no fampandrosoana ampanantenain’izy ireo ho an’ny vahoaka malagasy ? Tsy maintsy mipetraka izay fanontaniana izay satria volabe amina miliara no hatokan’ny fanjakana hanakaramana sy hizarana tombon-tsoa ho an’ireo loholona ireo mandra-pahavitan’ny fotoam-piasany. Izany hoe fandaniam-bolam-panjakana ambony ampanga ankoatra ny efa navoaka hatramin’izay.
Raha toa mantsy tsy hisy fiovana mivantana sy mivaingana ho an’ny fampandrosoam-pirenena dia tsy misy antony nilana ny fananganana ity Antenimieran-doholona ity satria lasa vesatra ho an’ny vahoaka indray izy ireo. Volam-panjakana no hanakaramana azy ireo ary volam-bahoaka izany volam-panjakana izany. Maro ireo nanantena fa hanao fanambarana ny senatera rehetra fa tsy handray karama sy tambin-karama ary ny tombon-tsoa rehetra avy amin’ny fanjakana saingy nofinofy ihany izany. Tsy mbola takatry ny fahendrena sy ny fitiavana hananan’ny manam-pahefana malagasy ny toe-tsaina toy izany fa ny azy ireo dia hiady tombontsoa no laharam-pahamehana voalohany. Raha ny tokony ho izy anefa dia ray aman-dreny izany loholona izany ary mila mampiseho modely eo amin’ny fiaraha-monina. Raha ny lojika dia ny ray aman-dreny no mamelona sy manavotra ny zanaka fa tsy sanatria ny mifanohitra amin’izay. Ny eto amintsika kosa ny ray aman-dreny te hiadana ao ambonin’ny fahazoana toerana sy andraikitra ary tombontsoa mihoa-pampana amin’ny alalan’ny vola sy harem-panjakana satria voafaritry ny lalàna hisitraka izany izy ireo.
Tsy mbola izao no fotoana hampandroso ity firenena ity raha toa ka toy izany hatrany ny fomba fisainan’ireo mpanao politika sy mahazo fahefana etsy sy eroa. Mody apetraka ny fepetra sy ny lalàna isan-tsokajiny hifantenana sy hanendrena tompon’andraikitra ambony nefa ny mpiray antoko, sy havana aman-tsakaiza rehetra ihany no misitraka izany fa ny hafa voahilika sy tsy mahazo anjara fitantanana ny raharaham-pirenena mihitsy. Raha atao jery tokana fotsiny ny sarin’ireo Loholona mivory ao amin’ny antenimiera dia mandatsa tena ireo maharaka tsara ny raharaha sy tantara politika eto amintsika mahita ny sasantsasany amin’ireo senatera ary mametraka ny fanontaniana hoe izao ve no mba Loholona ? Maro mantsy ireo efa nanana ny anjara toerana teto amin’ny firenena nefa tsy nahomby ary tsy nahazo vokatra tsara tamin’ny asa sy fahefana nosahanin’izy ireo. Misy ihany koa ireo efa nalaza ratsy tamin’ny toetra tsy mendrika sy fitarihana korontana teny amin’ny sehatra nisy azy avy. Ankehitriny feno ny birao mandrafitra ny fitantanana ny Antenimieran-doholona ary hiasa ho an’ny firenena izy ireo. Enga anie ka efa niova fo sy mahay mirakla ireo senatera rehetra ireo ka hahavita ampiseho amin’ny vahoaka malagasy fa tena ilaina ary hitondra fampandrosoana mampitolagaga eto amin’ny firenena.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







