Vous êtes ici :

Dimanche 15 Février 2026

ombre

Fandrobana amin’ny andro atoandro – Lasa ny finday miisa 2

Tsy fantatra intsony ny zavatra ampiasain’ireo mpangalatra entina manao ny asa ratsiny fa tsy heno mihitsy ny hidiran’izy ireny ao anaty trano nefa amin’ny atoandro be nanahary izao. Tokantrano iray ao an-tampon-tanan’Ambatondrazaka no lasibatra ny jiolahy tsy fantatra ny talata atoandro, tokony tamin’ny 2 ora tany ho any. Araka ny vaovao voaray dia matory atoandro ny tao an-trano fa nisy olona hafa kosa nanao raharaha  teny an-tokontany fa mbola sahin’ireo olon-dratsy  nidirana ihany. « Tratran’ny ody fonoka angamba !!» Fa tsy naheno ny nitsofohan’izy ireto ny tao an-trano ka lasa ny finday miisa 2 sy ny vola 50 000 ariary. Ahiana ho olona mahafantatra tsara ireo lasibatra ihany ny mpangalatra.

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre