Isotry – Tra-tehaky ny polisy ny toaka gasy iray kamiao
Saron’ny polisy miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina eny Anosy, teny Isotry, ny talata vao mangiran-dratsy, tokony tamin’ny 4ora tany ho any, ny fiara iray nitondra toaka gasy. Teo am-panidinana ireo toaka gasy 1 200 litatra nafatratra tao anaty bidao amin’ny 20 litatra miisa 60 indrindra ny lehilahy miisa 3 ka ny roa mpamily no tra-tehaky ny mpitandro filaminana. Tamin’ny fanadihadiana azy telo lahy no nahalalana fa avy tany amin’ny fokontany Tanambao kaominina Fanandrahana, any Toamasina ity toaka gasy ity ka ny alatsinainy hariva lasa teo, tamin’ny 5ora no niainga tany izay aparitaka eto an-drenivohitra ary izany Lesera izany no tompony. Vidiana 1000 ariary ny litatra ary amidy 1 900 ariary ka 5 000 ariary no voalaza no sarany nitondrana ny iray bidao miakatra aty. Ataon’izy ireo ao ambany entana plastika ireo toaka gasy ireo mba tsy ahitan’ny polisy sy zandary manao fizahana eny an-dalana eny. Natolotra ny fampanoavana, omaly ireo olon-dratsy. Efa mandeha ny fikarohana ny tompon’ny entana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







