Vous êtes ici :

Dimanche 15 Février 2026

ombre

Morombe – Mpanao sinto-mahery niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy mpangalatra iray no naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka, tany amin’ny kaominina sady distrikan’i Morombe, ny harivan’ny talata lasa teo. Tratra nanao sinto-mahery ny finday-n’olona iray tena amin’ny lalana izy ka niantso vonjy ilay lasibatra. Nifanenjehan’ny fokonolona izy io ka tsy lasa lavitra dia tratra. Nofatoran’izy ireo avy eo ny tongony sy ny tanany ka notsarain’ny fokonolona avy hatrany. Nodarohana sy novonina ary tsy nananan’ ireo olona antra mihitsy ilay olon-dratsy avy eo ka ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana naka azy teo an-tanan’ireto vahoaka tezitra no nahavonjy azy fa raha tsy izany angamba dia efa maty.

Nentina notsaboina haingana teny amin’ny hopitaly iray tany an-toerana ilay jiolahy mialohan’ny nanaovana fanadihadiana azy, omaly maraina, teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana. Amin’ity herinandro ity no hiakatra Fitsarana ny raharaha ka mandra-piandry izany dia notanana ao amin’ny biraon’ny polisy ilay olon-dratsy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre