Vous êtes ici :

Dimanche 15 Février 2026

ombre

Nofitahana vehivavy mitaiza kely – Tovolahy iray voavely « bois rond »

Efa manana fomba maro isan-karazany ireo mpanao ratsy mba amelezana ny lasibatra. Tovolahy iray nitondra môtô izao no saika namoy ny ainy rehefa nofitahin’ny vehivavy mitaiza kely teny Ankadimbahoaka, tapa-bolana lasa izay. Araka ny loharanom-baovao dia teo amin’ny lalana fiodonan’ny fiara teny an-toerana no nitranga izany, tokony tamin’ny 11ora alina tany ho any. Nandeha kodiaran-droa ny tovolahy iray no nahita vehivavy mitaiza kely sady nitomany teo amoron-dalana ka nijanona avy hatrany. Rehefa nanontaniana ny antony nampitomany azy ilay ramatoa dia nilaza fa novonoin’ny vadiny sady noroasiny ka nanapa-kevitra handeha hody any an-tanindrazana ary miandry fiara karetsaka ho eny amin’ny Fasan’ny karana izy mianaka. Nangoraka azy ilay lehilahy ka niverin-dalana nanatitra azy teny amin’ny fiantsonan’ny fiara.

Vao tonga teo amin’ny vavahadin’ny fiantsonan’ny fiara anefa izy ireo dia efa nisy roalahy nitazona « bois rond » niandry teo ka vantany vao niala ny kodiaran-droa ilay ramatoa sy ny zanany dia novelesin’ireo jiolahy ilay tovolahy. Vokany, torana tsy nahatsiaro tena izy io ary nobatain’izy ireo ka natsipiny teny amin’ny ranon’Ikopa ary lasan’izy ireo kosa ilay môtô. « Noheverin’ireo olon-dratsy fa maty angamba ilay namanay ka narian’izy ireo teny amin’ny ranon’Ikopa. Tsara vitana fa nihantona tamin’ny hazo izy ka tsy lasan’ny rano ary nisy nahita ary nentin’ny olona teny amin’ny hopitaly », hoy ny loharanom-baovao akaiky ny lasibatra.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre