Antsirabe – Mirongatra ny hala-jaza
Mirongatra ny hala-jaza any Antsirabe amin’izao fotoana izao ary ireo tratra mandehandeha harivariva iny no tena lasibatra. Zazalahy 10 taona any ho any no fantatra fa very herinandro lasa izay. Rehefa natao ny fikarohana dia hita ihany ilay zaza tao amin’ny trano iray tsy misy na inona na inona, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Mbola mifatotra ny tanany sy ny tongony ary notapenana ny vavany tamin’ny nahitana azy. Tsy vitan’izay ihany fa nosoran’ireo olon-dratsy maloto (tay) ny tenan’ilay zaza iray manontolo. Angamba efa nahafantatra mialoha ny hahatongavan’ireo mpitandro filaminana ireo nahavanon-doza ka tsy tratra tao an-toerana intsony. Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ity zaza ity no nahalalana fa anadahin-dreniny ihany no nahavita ny fomba mamohehatra. Raha izao fandehan’ny tantara izao tokony ho mailo ny rehetra fa araka ny fitenenana dia tsy misy tandroka tokoa ny mpanao ratsy. Efa eo am-pelatanana ny manam-pahefana ny raharaha. Fa mbola tsy fantatra mazava amin’izao fotoana izao ny tena antony nahatonga ilay anadahin’olona hanao izao asa ratsy izao.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







