Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Mifona nefa tsy manaiky diso !

Lasa raharaham-pirenena ilay nahatratrarana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina,filohan’ny Fjkm, tao amin’ny trano fanorana iray teny Antanimena. Niaiky ny tenany omaly fa tena mpandeha ao amin’io toerana malaza amin’ny resaka fanorana miendrika fivarontan-tena an-kolaka io ary niala tsiny tamin’ireo mpino an-tapitrisa. Ny mifanohitra amin’izany anefa dia tsy mahatsapa-tena ho diso eo anatrehan’Andraiamanitra izy. Tsy hiresaka fivavahana isika eto fa kosa hijery ny lafiny ara-politika sy ara-tsosialy amin’ity raharaha ity. Mazava mantsy ny tenin’ny filoha lefitry ny Fjkm, Marc Ravalolanana, fa tetika maloto avy amin’ny fitondram-panjakana no nampipoitra ity raharaha ity. Niitatra hatramin’ny kajikajy politika ho fanomanana ny fifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny birao foibe ny resaka. Nisy mihitsy ny filazana tany ambadika fa mikendry ny hametraka olon’ny Hvm eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Fjkm ireo mpitondra fanjakana ankehitriny. Mivadika politika tanteraka ilay resaka teo anivon’ny fivavahana. Raha ny fanazavan-dRavalomanana mantsy no somary rohitina dia tena ady seza eo anivon’ny Fjkm no nampiitatra be ity raharaha ity. Izany hoe mety efa fantatr’ireo mpino Fjkm eo anivon’ny fitondram-panjakana hatry ny ela ny fandehanan’ny mpitandrina Rasendrahasina Lala ao amin’ity trano fanorana hafa kely ity saingy nandrasan’izy ireo ho akaiky ny synoda lehibe vao nandefasany polisy sy nalainy baraka. Na marina izany na diso dia misy fiantraikany eo amin’ny raharaham-piangonana.

Na tiana na tsy tiana dia toerana fivarotan-tena ilay trano nahatratraran’ny mpitandro filaminana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina. Fomba fanorana vaovao mifantoka manokana amin’ny fanaitairana ny filana ara-nofo no atao ao amin’io toerana araka ny fanadihadiana maro efa nataon’ny mpanao gazety. Vehivavy janga no miasa ao ka na iza na iza lehilahy lehibe manambady aman-janaka nisy nahita tamin’ny toerana toy izany dia tsy maintsy afa-baraka. Henatra ho an’ny fiangonana kosa raha ny filoha mihitsy no voarohirohy amin’ny resaka toy izany. Tsy anjarantsika anefa no hitsara na diso izy na meloka saingy kosa mila mampiseho fanetre-tena manoloana ny mpivavaka izay afa-baraka. Tsy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina akory no hivavahana saingy kosa amin’ny maha mpitarika ny fiangonana azy dia tokony ho modely izy.

Ny tena mahagaga mantsy dia toa miezaka ny hanadio ity olona ity ny eo anivon’ny birao foiben’ny Fjkm. Vao mainka anefa afa-baraka ny fiangonana satria niitara be ny raharaha. Milaza rahateo ny birao foibe fa tsy misy fahefana mampiato azy amin’ny asany ary mbola manaiky ny hiara-hiasa sy hanaraka ny fepetra rehetra avy aminy. Raha ny tokony ho izy dia mametra-pialana ny filohan’ny Fjkm ary mitady hevitra faran’izay haingana ny foibe mba tsy  ho afa-baraka ny fiangonana sy ny mpino izay tsy nanao hadisoana na kely aza. Andrasan’ny maro, noho izany ny hevitr’ireo mpitandrina rehetra tsy ao anaty birao foibe satria izy ireny no solontena mivantana eny anivon’ny fiangonana. Ho sahy hijoro hiteny ny tsy mety ve sa hiray tsikombakomba amin’ny zava-misy ireo mpitandrina mijoro vavolombelona sy mampianatra ny marina isaky ny alahady ?

Hatreto aloha dia ahiana ho simban’ny resaka politika ny raharaham-piangonana raha izao no mitohy satria toa lasa mizarazara be ihany ny hevitr’ireo mpitandrina sy ny laika. Misy ireo mitaky ny fanoloana ny mpitandrina Rasendrahasina izay toa sarotra ihany satria zanaky ny mpanorina ny Fjkm izy ary efa nitantana ity fiangonana ity ny rainy. Matanjaka sy manam-bola ihany koa ireo mpanohana sy mpiara-miasa aminy akaiky ka sarotra ny hikitihana azy amin’ny toerany. Sarotra ny toe-draharaha satria rendrarendran’olon-tsotra no nivadika ho raharaham-piangonana ary mitady ho lasa raharaham-pirenena mihitsy.

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre