Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Andohatapenaka – Voasambotra ilay tovovavy mpamatsy toaka gasy

Tovovavy iray, 26 taona eo ho eo, no nosamborin’ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina, teo am-pivarotana toaka gasy. Tao amin’ny trano fonenany ny ny talata teo, tokony tamin’ny 1ora sy sasany  no tra-tehaka izy. Mbola tratra tao an-tranony ny toaka gasy 73 litatra, nandritra ny fisavana izany. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy teny Anosy io vehivavy io natao famotorana ka tamin’izany no nilazany tamin’ny mpitandro filaminana fa 3 400 ariary ny ivarotany ny litatra raha alaina 2 800 ariary izany ka telo litatra isan’andro no lafony ary isan-kerinandro izy manafatra entana. Tsy fantatra kosa ny toerana hanafarana izany toaka gasy izany. Mbola nandritra ny fakana am-bavany azy no nilazany fa teo amin’ny roa volana teo no nanaovany ity asa fivarotana toaka gasy ity na dia fantany tsara aza fa voararan’ny lalàna izany. Rehefa notanana roa andro tao amin’ny biraon’ny polisy misahana ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina dia natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre